Photo studio

Inona ny hevitry ny teny hoe Hybricon?

Ny Hybricon dia fanafohezana teny roa: Hybrid conflict.  Arak’izany ny hybricon dia tetikasa-pikarohana izay mifantoka amin’ny fifampikasohan'ny avy ivelany sy ny eo an-toerana ary ny fiantraikan'izany eo amin'ny fivoaran'ny disadisa eto Madagasikara.  Ny hybridiation dia trangan-javatra ateraky ny fifanojoan’ny fenitra, rafitra, fomba amam-panao ary soatoavina avy any ivelany amin’ny eto an-toerana.  Ireny fifandraisana ireny dia miantraika amin’ny rafitra, andrim-panjakana sy ny fomba amam-panao eto an-toerana.  Indraindray ny mpiantsehatra eto an-toerana dia miandany amin’ireny fenitra, fomba amam-panao ary soatoavina avy any ivelany ireny; indrindray manohitra na manda izany izy izay miaraka amin’ny fampiasan-kery.

Nahoana ianareo no misafidy an’i Madagasikara?

Madagasikara dia seha-pikarohana mahaliana noho ireo vanim-potoana isankarazany maneho fifanojoana, tanatin’ny vanin-tantara samihafa, ahafahana mamokatra tahirin-kevitra lalindalina kokoa mahakasika ny fiantraikan’io fifanojoana io. Hatramin’ny vanim-potoanan’ny fanjanahantany, dia nandalo vanim-potoam-pifandonana miisa sivy (9) miseho amin’ny endrika samihafa Madagasikara hatreto.  Ny farany indrindra dia izay nitranga tamin’ny taona 2009.  Ny manavaka ireny vanim-potoana ireny dia ilay endrim-pifandonana maharitra tsy misy fampiasan-kery eo anivon’ny samy mpiara-monina, ary koa eo amin’ny vondron’olona sy ny fitondrana.

Inona avy ireo tanjon’ny Hybricon?

Ahoana ny namolavolan’ny hybridization ny endrim-pifandonana nisy teto Madagasikarar?  Izay no tena fanontaniana ifantohan’ny tetikasa Hybricon.  Ny asa rehetra amin’ity tetikasa ity dia hampiasaina mba hanangonana sy hanadihadiana momba an’io lohahevitra io. Amin’ny alalan’ny fiaraha-miasa amin’ny andrim-panjakana, amin’ny fikambanana ary ny vondron’olona eto an-toerana no hanantanterahana ny tetikasa.   Mikendry indrindra ny hampiakarana ny fahazahoantsika ireo lafin-javatra sy endrim-pifandonana misy, noho izany hanatsara ny fahafahan’ireo mpiantsehatra isankarazany (ny eto an-toerana, ny avy any ivelany ary ny iraisam-pirenena) miatrika izany. Ny fikarohana izay atao dia mifototra amin’ny fandraisan’ny tsirairay anjara.  Mifantoka ihany koa amin’ny fiaraha-manorina asa miaraka amin’ireo fikambanana eo an-toerana.  Fotoana iray ahafahana mianatra avy amin’ny hafa sy mitady vahaolana miaraka koa izany.

Iza no mahazo tombony amin’ny tetikasa?

Ny vondron’olona eo an-toerana:  izay hampiana mba handray ny tantarany, mba handrenesana ny feony amin’ireo dingana mila handraisana fanapahan-kevitra.  Ity tetikasa ity dia hanome fahefana azy ireo mba ho mpandray anjara amin’ny ezaka atao ho amin’ny fandriampahalemana ary koa hamokatra vahaolana miainga avy ifotony izay mamaly ny tena filan’izy ireo. Amin’ny alalan’ny atrik’asa fintantarana, ny asa hatao dia hahatonga azy ireo ho mpandray anjara mavitrika amin’ny fanapahan-kevitra.

Ireo sangan’olona mpanao politika: ho azy ireo hanome fitaovana vaovao mba hanampy azy ireo hiatrika ny antony nipoiran’ny fifandonana.  Hahazo tombony avy amin’ny fakan-kevitra, ny fiaraha-miasa, ny adi-hevitra ary fifanakalozan-kevitra hifanaovana amin’ny fitondrana, ny vondron’olona ifotony sy ireo mpiantsehatra avy any ivelany.  Hirotsaka bebe kokoa izy ireo amin’ny fandraisana anjara hitarika ho amin’ny famahana ireo fifandonana fa tsy hoe hiandany amin’ny fomba fanao ara-teknika an-dantabatra midina avy any ambony.  Ambonin’izany, hahazo tombony izy ireo amin’ireo angona novokarin’ny tetikasa ary hampiasa izany hananganana politika mifototra amin’ny tranga misy izay miresaka ny fototry ny fifandonana.

Ho an’ny iraisam-pirenena sy ireo mpanantanteraka eo an-toerana: hanolotra fomba fanao vaovao izay hahatakarana ireo dingana samihafa hateraky ny fifanojoana sy ireo fiantraikany eo amin’ny zotra raisin’ny fifandonana mba hanatsarana ny fandaharan-kevitra sy politika.  Handrato fahalalana avy ifotony izay vokarin’ny tetikasa izy ireo amin’izany.  Noho izany, hanatsara ny fandaharan’asa sy politika mifandray amin’ny fifandonana.

Iza no mitantsoroka miaraka amin’i Hybricon?

Ny tetikasa dia hiantsorohan’ny vondrona mpikaroka sy mpiasa matihanina manana traikefa amin’ny fanorenana fandriampahalemana sy ny serasera.  Ny tarigetra izay “Ny fihavananay, manorina anaty filaminana” na “ Ny fandriampahalemanay mifankahazo am-po , miaina ary manorina anaty filaminana” dia manamafy izany.  Tanora izay maniry ny hitandro ny soatoavina Malagasy mandritra ny fananganana fandriampahalemana miaraka ho amin’ny ho avy araky ny famaritana avy ifotony izy nangonina tamin’ny alalan’ny fitantarana azo avy amin’ity fianarana ity.  Ity tetikasa ity dia iarahana manantontosa amin’ny Anjerimanontolon’ny Reading, ny ESRC sy ny UKRI no manohana ara-bola.  Ny tetikasa dia tontosaina eto Madagasikara hatramin’ny volana Septambra 2023.

Ankoatry ny fikarohana, inona no kinendrin’ny tetikasa toy izao?

Na dia tetikasa-pikarohana aza Hybricon, manantena izahay fa ny asa ataonay dia azo avadika ho politika ho an’ny sarababembahoaka.

Nosoratan'i Lalatiana Rakotondranaivo sy Fanomezantsoa Razafimalala