HYBRICON: the project

HYBRICON dia tetik’asa fikarohana mandalina ny fiantraikan’nyfifandraisan ny any ivelany (ohatra ny hevitra voizin’ny liberalisma, ny sosialisma) sy ny eto an-toerana (ohatra ny fitsipika, ny lamina na ny andrim-panjakana misy) eo amin’ny fivoaran’ny fifandirana.  Izany fifandraisana avy any ivelany sy ny eto an-toerana izany eto Madagasikara dia miseho amin’ny endrika maro mety ho hita amin’ny fomba fanao sy  ny hevitra ary ny soatoavina.

Landscape Hybricon

© Hybricon

Nisedra tsy fifankahazoana na fifanandrinana miaty fahasamihafana Madagasikara hatramin’ny vanim-potoanan’ny fanjanahan-tany (ohatra: amin’ny fotoana fisian’ny fifanoherana ara-pirehan-kevitra dia iray na roa no maty; rehefa misy fifanandrinana mivantana kosa anefa dia eo amin’ny olona 100 hatramin’ny 1000 no maty)  Hatramin’izao aloha dia tsy afaka nanazava ny antony mahatonga ireo  tsy fitovian’ny vokatry ny fisehon’ny fifandirana ireo araka ny toerana sy ny fotoana isehoany isika. Ny fisokafan’ny firenena malagasy amin’ny firenen-kafa dia hita soritra eo amin’ny kolon-tsainy, sy ny firehan-keviny ary koa ny fomba fitantanany. Io fifandraisana amin’ny any ivelany io dia miteraka trangam-piarahamonina samihafa ahitana fiaraha-miasa, fifanekena, fanilihana, fanoherana an-dalam-be izay mety miafara amin’ny herisetra. Na dia eo aza ny fandrosoan’ny voka-pikarohana maro tato ho ato  avy amin’ny fandalinana ny  any ivelany sy ny eto an-toerana toy ny fananganana andrimpanjakana, ny fomba fanao, ny soatoavina (izay mampiseho endrika fifangaroan’ny avy any ivelany sy ny eto an-toerana), kely dia kely no fantatra mahakasika ny fiantraikan’izany amin’ny zotra raisin’ny fivoaran’ny fifandirana ao an-toerana.

Hamaly ireto fanontaniana manaraka ireto ny mpiara-miasa ao amin’ny HYBRICON:

  1. Inona avy ireo tranga ao ambadiky ny fifandraisan’ny avy any ivelany sy ny eto an-toerana, (ny fiforonan’ny rafitra, ny andrim-panjakana, ny fomba fanao ary ny soatoavina eto Madagasikara)
  2. Inona no fiantraikan’ireo fifandraisana  ireo eo amin’ny fivoaran’ny  fifanandrinana eto an-toerana toy ny fihombony, ny fihenany, ary koa ny faharetan’ny trangam-pifanandrinana izay miseho eo amin’ny firenena?

Ity tetikasa fikarohana ity  dia hanohanana ny hevitra mahakasika ny fiovaovana sy ny fahasamihafan’’ny dingan’ny fifandirana eo amin’ny faritra roa samihafa eto an-toerana (Ohatra hoe ny eto afovoan-tany sy any amin’ny sisiny). Misy akony ary  mifehy ny fironan’ny fifanandrinana eto an-toerana izany.

Ny mpiara-miasa eto anivon’ny Hybricon dia hiantsoroka sehatr’asa roa: ny iray ara-kevitra (hitrandraka ny hevitra fonosin’ny fifandraisan’ny avy any ivelany sy ny eto an-toerana  ary  ny endrika maro isehoan’izany) izay mitaky fikirakirana tahiry avy amin’ny arsiva. Ny iray fijerena sy fanadihadiana ifotony (manombana ny fiantraikan’ny fifandraisana eo amin’ny fivoaran’ny fifampiandaniana)  hamoahana tahirin-kevitra vaovao sy fehin-kevitra miainga avy any ifotony amin’ny alalan’ny fikarakarana fifanankalozan-kevitra sy  “atrik’asa fitantarana” hanasana ireo mpisehatra eto an-toerana izahay. Izany dia mba hanehoany ny heviny sy hitantarany amin’ny fombany manokana ny mahakasika ny fandriampahalemana sy fifanandrinana eto an-toerana, anisan’ireo ny solon-tenan’ny fokonolona.

Voalohany, misy fiantraikany lehibe eo amin’ny fikarohana ny teoria ao ambadiky ny fifampikasohan’ny any ivelany sy ny eto an-toerana ity tetikasa ity amin’ny alalan’ny fanolorana tolo-kevitra mikasika ny any ivelany izay tsy mijanona amin’ny fahatakarana fotsiny ihany mahakasika ny lamina liberaly irery. Faharoa, ny fitantarana azo avy amin’ny mpandray anjara dia hanampy betsaka amin’ny fahazoana ny ao ambadik’ireo fifandirana nifanesy teto amin’ity firenena ity. Hanome porofo avy any ifotony ity fikarohana ity ary hanampy ireo mpiantsehatra izay misahana ny fametrahana ny fandriampahalemana ary koa ireo mamolavola vahaolana momba ny fifandirana.

Ity tetikasa ity dia hanampy ny any ifotony ary hanome lanja ny fahafahan’ny vondrom-piarahamonina eto an-toerana hiasa, hahaleo tena fa tsy hoe mpandray fotsiny ihany. Ambonin’izany, hanome fitenenana ny olona eo antoerana amin’ny alalanny fitantarana koa ity tetikasa ity. Fomba iray hanomezana fahefana ireo mpiantsehatra ao an-toerana izany mba hahafahan’izy ireo mandray an-tanana ny fandriampahalemana ao an-toerana. Hitondra tombontsoa ho an’ny fiarahamonina Malagasy izany ary hisy fiantraikany mahomby eo amin’izao tontolo izao.

HYBRICON is a project studying the impacts of hybridisation processes on conflict trajectories in Madagascar. Hybridisation processes involve a formation of international (liberal/ illiberal) and local institutions, practices and values.

Landscape Hybricon

© Hybricon

Madagascar has experienced regular episodes of conflict with various stages since the colonial period. So far, the Malagasy have not been able to explain why the conflict trajectories vary to such a great extent at the national level. This country has been in contact with external actors, their cultures and ideologies, or their modes of governance. These interactions between the local and the international created various situations involving, for example, collaboration, acceptance, rejection, clashes and even high levels of violence. Despite the recent advances in the study of processes of hybridisation involving the formation of “international/ liberal and local/ non-liberal institutions, practices and values, very little is understood regarding the way in which these processes affect local conflict trajectories.

HYBRICON will respond to the following questions:

  1. What are the dynamics behind hybridisation, namely the formation of international (liberal/ illiberal) and local/ non-liberal institutions, practices and values in Madagascar?
  2. How do these dynamics affect the local conflict trajectories such as escalation, de-escalation, and protraction of conflict stages in the country?

This project argues that the variations in the processes of hybridisation at the local level in two Malagasy localities have led to various conflict outcomes shaping the local conflict trajectories.

HYBRICON will engage in two different types of work: one is conceptual (exploring hybridity and hybridisation) which will require archival research both in Madagascar and in France. And the other is empirical (assessing its impact on conflict trajectories) entailing the generation of new primary and bottom-up data on these processes through the organisation of “narrative workshops” during which local stakeholders, including representatives from the communities, will be invited to tell their own narratives about peace and conflict.

On the one hand, this project has important implications for theories of hybridisation by proposing a theoretical and conceptual understanding of the international, going beyond the liberal order. On the other hand, the local narratives that it will generate through a methodology called Delphi technique, allowing the collection of narratives through participatory focus groups, will help to understand the conflict dynamics in this country. The research will provide bottom-up-based evidence that will help actors involved in peace processes to shape solutions as they address conflicts, and in the same vein, help them develop better policy processes at different levels. Its originality also lies in the fact that it recognizes the capacity of the local communities to act as agents of change not as mere recipients while giving voice to these local narratives. This is one way of empowering local actors so that they can appropriate local peace processes. This will benefit Malagasy society and have an impact in the wider world.

HYBRICON est un projet qui étudie les impacts des processus d’hybridation sur les trajectoires de conflit à Madagascar. Les processus d’hybridation impliquent la formation d’institutions, de pratiques ou de valeurs qui combinent des traits venant de l’ « International » (qui peuvent être libéral / illibéral) et du local.

Landscape Hybricon

© Hybricon

Madagascar a connu des épisodes régulières de conflits à différents stades depuis la période coloniale. Jusqu’à présent, les Malgaches n’ont pas été en mesure d’expliquer pourquoi les trajectoires du conflit varient autant au niveau national. Ce pays a été en contact avec des acteurs extérieurs, leurs cultures et idéologies, ou leurs modes de gouvernance. Ces interactions entre le local et l’international ont créé diverses situations impliquant des réactions telles que la collaboration, l’acceptation, le rejet, des affrontements et même des niveaux élevés de violence. Malgré les progrès récents dans l’étude des processus d’hybridation impliquant la formation « d’institutions, de pratiques et de valeurs internationales (libérales/non libérales) et locales, très peu de choses sont comprises quant à la manière dont ces processus affectent les trajectoires de conflit locaux.

HYBRICON répond aux questions suivantes:

  1. Quelles sont les dynamiques derrière l’hybridation, à savoir la formation d’institutions, de pratiques et de valeurs combinant des traits venant de l’international (libéral/ illibéral) et du local à Madagascar ?
  2. Comment ces dynamiques affectent-elles les trajectoires de conflit locaux telles que l’escalade, la désescalade et la protraction des niveaux de conflit dans le pays?

Ce projet suggère que les variations des processus d’hybridation au niveau local dans deux localités à Madagascar (le centre et la périphérie ) ont conduit à divers impacts façonnant les trajectoires de conflit locaux.

L’équipe d’ HYBRICON s’engagera dans deux types de travaux différents : l’un est conceptuel (exploration de l’hybridité et de l’hybridation) qui nécessitera des recherches de documents d’archives. Et l’autre est empirique (évaluation des impacts des processus d’hybridation sur les trajectoires de conflit) impliquant la génération de nouvelles données primaires et ascendantes/ participatives sur ces processus grâce à l’organisation d’« ateliers narratifs » au cours desquels les parties prenantes, y compris les représentants des communautés, seront invitées à raconter leurs propres récits sur la paix et les conflits.

D’une part, ce projet a des implications importantes pour les théories de l’hybridation en proposant une compréhension théorique et conceptuelle de l’international allant au-delà de l’ordre libéral. D’autre part, les récits locaux qu’il générera grâce à une méthodologie appelée technique Delphi, permettant la collecte de récits par le biais de groupes de discussions participatives, aideront à comprendre la dynamique des conflits dans ce pays. La recherche fournira des preuves ascendantes qui aideront les acteurs impliqués dans les processus de paix à façonner des solutions à résoudre les conflits et, dans le même ordre d’idées, les aideront à élaborer de meilleurs processus de développement de politiques publiques. Son originalité réside aussi dans le fait qu’il reconnaît la capacité des communautés locales à agir en tant qu’agents de changement et non en tant que simples destinataires tout en donnant la parole à ces récits locaux. C’est un moyen d’autonomiser les acteurs locaux afin qu’ils puissent s’approprier les processus de paix locaux. Cela profitera à la société malgache et aura un impact dans le monde entier.

.

Fampahafantarana an'i Hybricon - Introducing Hybricon - A propos de Hybricon