Mitady olona hiasa ao aminy Hybricon – Hybricon recruits – Hybricon recrute
Andao hiara-hiasa aminay!
Mitady Mpikaroka Mpanampy Malagasy izahay eto amin’ny tetikasa HYBRICON.
👉Manana diplaoma “Doctorat” na eo am-panomanana izany, izay misehatra amin’ny : Fandalinana politika, fifandraisana iraisam-pirenena, sosiolojia, lalàna, harinkarena, fandalinana fifandirana, «anthropologie », fampandrosoana na sehatra mifandray amin'ireo.
👉Efa nanatrika fiofanana mahakasika ny teknika fandraisana, fanangonana ary fikirakirana tahirin-kevitra mahakasika ny Siansa sosialy
👉Manana traikefa amin’ny fidinana ifotony
👉Terak’ireto faritra ireto : Diana, Sava, Boina, Melaky, Sofia, Betsiboka, Analanjirofo, Alaotra Mangoro, Analamanga, Bongolava, Itasy, Antsinanana, Vakinankaratra;
👉Mahafehy ny fiteny any amin'ny iray amin'ireo faritra voalaza ambony ireo;
👉Mahafehy tsara ny teny malagasy ofisialy; ;
👉Afaka manoratra sy miteny anglisy
Ireto avy ny anjara andraikitra ho sahaninao miaraka amin’ny ekipan’ny HYBRICON :
✅Manohana ny mpikaroka sy ny ekipa amin’ny fandraiketana sy ny fikirakirana tahirin-kevitra
✅Mamolavola miaraka ny lahatsoratra akademika, bilaogy ary rijan-kevitra,
✅Mandray anjara amin’ny lamin’asa eto Madagasikara
✅Mandray anjara amin’ireo asa mifandraika amin’ny tetikasa rehetra
Hisitraka fanohanana sy fiofanana fanampiny ianao toy ny fikirakirana ny rindrambaiko « NVivo ». 💻
Hipaka eny ifotony, eo anivon'ny faritra sy ny firenena, ary eo anivon’ny sehatra iraisam-pirenena ny asanao.
⏩Manasa anao handefa ny CV, lettre de motivation, ary taratasy avy any amin’ny “directeur de thèse" na profesora, farafahatarany ny 15 janoary 2022 ao amin’ny adiresy
HybriconMada@protonmail.com
Marihina fa manaja ny miralenta eo amin’ny lahy sy ny vavy izahay. Ezahina ho ekipa feno mahasolontena ny Malagasy no horaisina.
Come work with us! HYBRICON recruits three Malagasy Research Assistants
👉You hold a PhD or currently doing a PhD programme in one of the following (sub)fields: Political Science, International Relations, Sociology, Law, Economics, (International) Conflict Analysis, Anthropology, Development or related fields.
👉You already had a methodology training in data collection, collation, and processing, preferably in Social Sciences
👉You have fieldwork experience
👉You are a native of one of the following regions: Diana, Sava, Boina, Melaky, Sofia, Betsiboka, Analanjirofo, Alaotra Mangoro, Analamanga, Bongolava, Itasy, Antsinanana, Vakinankaratra
👉You speak fluently one of the local dialects in those regions
👉You master well the official Malagasy language
👉You have a knowledge of written and spoken english
👉You will work on all the activities of the HYBRICON project and team, among those tasks are the following:
✅You will support the Principal Invesrigator and the team in collecting and processing data
✅You will co-author: academic articles, blog posts, policy briefs
✅You will participate in the organization of the activities HYBRICON implement in Madagascar
You will get involved in additional tasks pertaining to the implementation of the project
You will get mentorship and additional methodological trainings including the use of the software NVivo.💻 Your work will also get local, national, regional, and international exposure.
⏩Kindly send us a CV, a motivation letter, and a letter of recommendation from your current/ former PhD Supervisor or a Professor who knows you well by January 15, 2022 to HybriconMada@protonmail.com
We practice gender equality and diversity in our programme. We aim at having a diverse team that is representative of all Malagasy.